Lyrics

Tsaratanana tsy mahalavi-tany e Izaho tonga mamangy, misy havako any e Avelako hikorisa moramora ny fotoana Fa izay tonga soa ihany No mahazo manao ahoana Andringitra tsy mahalavi-tany e Tonga ny taratasy misy hafatra avy any a Avelako hifandimby ny andro sy ny volana Tafajanona any aho fa tsy nasiako olana Avelako hifandimby ny andro sy ny volana Tafajanona any aho fa tsy nasiako olana Tonga soa ianao e Mahay mandamina ny dia Izay haingam-pandeha tsy mety tonga aty Tafita soa ianao e Ny olona aty tsy matity fitia Izay haingam-pandeha tsisy ho azy aty Ankaratra tsy mahalavi-tany e Tian-kavana izay mahavangivangy e Avelako hifandimby ny volona sy ny taona Ny tia sy ny manina Mbola ho tafahaona Ihorombe tsy mahalavi-tany e Misy tary namako mipetraka any Avelako hifandimby moramora ny maraina o Hafa ihany rehefa tsy mitaintaina Avelako hifandimby moramora ny maraina Izay tonga soa ihany no azo arabaina Tafita soa ianao e Ny olona aty tsy matity fitia Izay haingam-pandeha tsisy ho azy aty Tafita soa ianao e Izay mahay mandamina ny dia Tafita soa ianao e Izay haingam-pandeha tsy mety tonga aty Tafita soa ianao e Izay haingam-pandeha tsisy ho azy aty Tonga, tonga soa ianao e Tafita soa ianao e
Lyrics powered by www.musixmatch.com
Get up to 2 months free of Apple Music
instagramSharePathic_arrow_out