Top Songs By Erick Manana
Lyrics
Tsaratanana tsy mahalavi-tany e
Izaho tonga mamangy, misy havako any e Avelako hikorisa moramora ny fotoana
Fa izay tonga soa ihany
No mahazo manao ahoana
Andringitra tsy mahalavi-tany e
Tonga ny taratasy misy hafatra avy any a
Avelako hifandimby ny andro sy ny volana
Tafajanona any aho fa tsy nasiako olana
Avelako hifandimby ny andro sy ny volana
Tafajanona any aho fa tsy nasiako olana
Tonga soa ianao e
Mahay mandamina ny dia
Izay haingam-pandeha tsy mety tonga aty
Tafita soa ianao e
Ny olona aty tsy matity fitia
Izay haingam-pandeha tsisy ho azy aty
Ankaratra tsy mahalavi-tany e
Tian-kavana izay mahavangivangy e
Avelako hifandimby ny volona sy ny taona
Ny tia sy ny manina
Mbola ho tafahaona
Ihorombe tsy mahalavi-tany e
Misy tary namako mipetraka any
Avelako hifandimby moramora ny maraina o
Hafa ihany rehefa tsy mitaintaina
Avelako hifandimby moramora ny maraina
Izay tonga soa ihany no azo arabaina
Tafita soa ianao e
Ny olona aty tsy matity fitia
Izay haingam-pandeha tsisy ho azy aty
Tafita soa ianao e
Izay mahay mandamina ny dia
Tafita soa ianao e
Izay haingam-pandeha tsy mety tonga aty
Tafita soa ianao e
Izay haingam-pandeha tsisy ho azy aty
Tonga, tonga soa ianao e
Tafita soa ianao e
Lyrics powered by www.musixmatch.com