Lyrics

Tsy fidiny aho, nandao ny morontsiraka Ny fahoriana moa no mazaka maniraka Nilaozako ny akany sy ireo hava-mamy Nandaozako azy ireo, ranomaso sy tomany I dada malala nitsodrano ahy I neny tsy foiko e, nivavaka ho ahy Izao tontolo izao nolalovako avokoa F'ilay akany kely o no miraikitra ato am-po Andeha tsika hody e, any aminay e Ny ao an-tanana mahay mifankatia Rehafa tonga vahiny, mifampindrana viliha Eo an-tokotany be ireo ankizy no mandihy Izahay sy zokinay milalao valiha Rehefa anjaranay no mitoto vary Ndre ry Bozy kely e no manao kivarivary Izahay sy Beza kely maka kitay Zarainay izay azo o fa efa fombanay Andeha tsika hody e, any aminay e Rehefa misy adiady ny ao an-tanana Dia ny loholona no tompom-pahefana Tsy mba misy fitoriana na hoe tribonaly Fa vita am-pahendrena ny fiainana sosialy Raha misy fahoriana na misy fifaliana Dia miray hina fa iray fiaviana Fa Malagasy Ray, Malagasy Reny Manome haja ny zom-pirenena Andeha tsika hody e, any aminay e
Lyrics powered by www.musixmatch.com
Get up to 2 months free of Apple Music
instagramSharePathic_arrow_out