Lyrics

Tanety dorana, tsy miraharaha Arehitra ny ala, tsy miraharaha Ny hoavin'ny taranaka e, tsy miraharaha May ny tanindrazana, tsy miraharaha O 'ry Aba, O 'ry hendry e Ny hamono antsika anie tsy mba basy velively O 'ry Aba, O 'ry hendry e Tsy mahatsiaro tena isika, mihamaty tsikelikely Risoriso manjaka, tsy miraharaha Izay osa voadaka, tsy miraharaha Ny efa matanjaka e, tsy miraharaha Sondriana mitrandraka, tsy miraharaha O 'ry Aba, O 'ry hendry e Ny safiran' Ilakaka tsy hita velively O 'ry Aba, O 'ry hendry e Saingy afa-drakotra izao ny tantely O 'ry Aba, O 'ry hendry e Ny harena an-kibon'ny tany Tsy misy mitsitsy velively O 'ry Aba, O 'ry hendry e Ny taranantsika re mba amelao kely Ny fiarahamonina, tsy miraharaha Aleony mionona, tsy miraharaha Lasa fomba mahazatra e ny tsy miraharaha Isika Malagasy lasa tsy miraharaha O 'ry Aba, O 'ry hendry e Tena loza ity. Isika Malagasy anie ho very O 'ry Aba, O 'ry hendry e Vola indray izao o no solon'ny fanjakana manan-kery O 'ry Aba, O 'ry hendry e Tena loza ity. Isika Malagasy anie ho very O 'ry Aba, O 'ry hendry e Vola indray izao o no solon'ny Ray aman-dReny ton-teny O 'ry Aba, O 'ry hendry e Soa ihany fa mbola misy anareo e miraharaha O 'ry Aba, O 'ry hendry e Soa ihany fa mbola misy zanakareo e miraharaha
Lyrics powered by www.musixmatch.com
Get up to 2 months free of Apple Music
instagramSharePathic_arrow_out